Fanokafana ny faha-15 taonan'ny ZAMA

Notanterahina ny alahady 3 jona 2008 lasa teo ny fanokafana ny fankalazana ny faha-15 taonaon'ny Antonko Mpihira Zanaka Ambohimalaza Antananarivo na ny ZAMA. Tao amin'ny FJKM Tranovato Ambohimalaza Firaisana no notanterahina izany fanokafana izany tamin'ny alalan'ny fanompoam-pivavahana. Nohafanan'ny antoko mpihira tamin'ny fanatanterahina toriteny an-kira izany fotoana izany.

Ireto avy ireo sary nandritra io fotoana io

RRM